1 Kings 2:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ianao koa dia mahalala izay nataon’i Joaba, zanak’i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin’izy roa lahy lehiben’ny miaramilan’ny Israely, dia tamin’i Abnera, zanak’i Nera, sy tamin’i Amasa, zanak’i Jetera, izay novonoiny sady nalatsany ra toy ny amin’ny ady, nefa tsy nisy ady akory, ka nasiany ra toy ny amin’ny ady ny fehikibo nanaovany sy ny kapa teny an-tongony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary fantatrao ihany ny nataon’i Jôaba zanak’i Sarvià tamiko, dia ilay nataony tamin’izy roa lahy, i Abnera zanak’i Nera, sy i Amasà zanak’i Jetera, filohan’ny tafik’i Israely, fa novonoiny ireo, ka ny ra fandatsaka amin’ny ady, nalatsany amin’izao tany mandry izao, ary ny ra fandatsaka amin’ny ady dia nataony tamin’ny fehikibo teny am-balahany sy tamin’ny kapa teny amin’ny tongony!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankoatra izany, ianao koa mahalala ny ratsy rehetra nataon’i Jôaba zanakalahin’i Tseroià tamiko sy tamin’ny filohan’ny tafik’i Israely roa lahy, dia i Abinera zanakalahin’i Nera sy i Hamasà zanakalahin’i Jetera izay samy novonoiny ho faty sady nalatsany ra toy ny amin’ny ady nefa tsy nisy ady akory; ka dia tompon’andraikitra feno izy ny amin’ny nafitsony.
Malagasy Bible 1865
Ary ianao koa mahalala izay nataon'i Joaba, zanak'i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin'izy roa lahy komandin'ny miaramilan'ny Isiraely, dia tamin'i Abnera, zanak'i Nera, sy tamin'i Amasa, zanak'i Jatera, izay novonoiny sady nalatsany rà toy ny amin'ny ady, nefa tsy nisy ady tsinona, ka nasiany rà toy ny amin'ny ady ny fehin-kibony teny am-balahany sy ny kapany teny an-tongony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ianao koa dia mahalala izay nataon’i Joaba, zanak’i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin’izy roa lahy lehiben’ny miaramilan’ny Israely, dia tamin’i Abnera, zanak’i Nera, sy tamin’i Amasa, zanak’i Jetera, izay novonoiny sady nalatsany ra toy ny amin’ny ady, nefa tsy nisy ady akory, ka nasiany ra toy ny amin’ny ady ny fehikibo nanaovany sy ny kapa teny an-tongony.
malagasy