1 Kings 2:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indro, ao aminao koa i Simey, zanak’i Gera, Benjaminita avy any Bahorima. Loza loatra ny nanozonany ahy tamin’ny andro nankanesako tany Mahanaima, nefa mba nidina hitsena ahy tao Jordana ihany izy, ary tamin’NY TOMPO no nianianako ka nanomezako toky azy hoe: Tsy hovonoiko amin’ny sabatra ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro eto akaikinao i Semeià, zanak’i Gerà, Benjaminita, avy ao Bahorima. Ozona mafy no notononiny tamiko, tamin’ny andro nankanesako tany Mahanaîma. Nefa noho izy nidina nitsena ahy tany Jordany dia nianiana taminy, tamin’ny anaran’i Israely aho, nanao hoe: Tsy hovonoiko amin’ny sabatra ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Farany dia aza hadino i Simehỳ zanakalahin’i Gerà sady Benjaminita avy any Bahorima. Mafy loatra ny nanozonany ahy tamin’ny andro nankanesako tany Mahanaîma; nefa nidina nitsena ahy tao Jôrdàna izy, ka dia nianiana tamin’ny TOMPO aho fa tsy hamono azy ho faty amin’ny sabatra.
Malagasy Bible 1865
Ary indro fa ao aminao koa Simey, zanak'i Gera, Benjamita avy any Bahorima loza loatra ny nanozonany ahy tamin'ny andro nankanesako tany Mahanaima, nefa izy mba nidina hitsena ahy tao Jordana ihany, ary Jehovah no manianako taminy hoe: Tsy hovonoiko amin'ny sabatra ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indro, ao aminao koa i Simey, zanak’i Gera, Benjaminita avy any Bahorima. Loza loatra ny nanozonany ahy tamin’ny andro nankanesako tany Mahanaima, nefa mba nidina hitsena ahy tao Jordana ihany izy, ary tamin’NY TOMPO no nianianako ka nanomezako toky azy hoe: Tsy hovonoiko amin’ny sabatra ianao.
malagasy