1 Kings 20:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary namory ny miaramilany rehetra i Beny-Hadada, mpanjakan’i Arama, ary nisy mpanjaka roa amby telopolo mbamin’ny soavaly sy kalesy fitondra miady niaraka taminy. Dia niakatra izy ka nanao fahirano an’i Samaria ary nanafika azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Benadaba mpanjakan’i Siria, namory ny tafiny rehetra; mpanjaka 32 no niaraka taminy, sady nisy soavaly aman-kalesy maro koa. Dia niakatra izy ary nanao fahirano an’i Samaria dia namely azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Novorin’i Bena-Hadada mpanjakan’i Siria ny tafiny manontolo izay nahitana mpanjaka 32 mpiandany aminy ary koa soavaly mbamin’ny kalesy maro. Dia nataony fahirano i Samaria ka notafihiny.
Malagasy Bible 1865
Ary Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, namory ny miaramilany rehetra, koa mpanjaka roa amby telo-polo mbamin'ny soavaly sy ny kalesy no niaraka taminy; dia niakatra izy ka nanao fahirano an'i Samada ary namely azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary namory ny miaramilany rehetra i Beny-Hadada, mpanjakan’i Arama, ary nisy mpanjaka roa amby telopolo mbamin’ny soavaly sy kalesy fitondra miady niaraka taminy. Dia niakatra izy ka nanao fahirano an’i Samaria ary nanafika azy.
malagasy
[Ny nandresen'i Ahaba indroa an'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria] Ary Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, namory ny miaramilany rehetra, koa mpanjaka roa amby telo-polo mbamin'ny soavaly sy ny kalesy no niaraka taminy; dia niakatra izy ka nanao fahirano an'i Samada ary namely azy.