1 Kings 20:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandefa iraka tany aminy i Beny-Hadada ka niteny hoe: Hataon’ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha ho ampy akory ny vovok’i Samaria hameno ny tanana an’ilan’ireto olona manaraka ahy ireto!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naniraka olona i Benadaba hilaza amin’i Akaba hoe: «Hataon’ireo andriamanitra amin’izay ngidiny indrindra anie aho raha ho ampy eran-tanan’ilan’ny isan’olona manaraka ahy akory ny vovok’i Samaria.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa izy kosa mbola nampaniraka fanintelony ho amin’i Ahaba mpanjaka hoe: «Hataon’ireo andriamanitra amiko anie ny famaizana faran’izay mafy indrindra, raha avelako hisy hahafeno tanan’ilan’ny vahoaka rehetra manaraka ahy akory ny vovok’i Samaria!»
Malagasy Bible 1865
ary izy naniraka tany aminy ka nanao hoe: Hataon'ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha ho ampy eran-tànan-ila akory ny vovok'i Samaria amin'ny isan-olona manaraka ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandefa iraka tany aminy i Beny-Hadada ka niteny hoe: Hataon’ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha ho ampy akory ny vovok’i Samaria hameno ny tanana an’ilan’ireto olona manaraka ahy ireto!
malagasy