1 Kings 20:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Ahaba: Amin’ny alalan’iza? Dia hoy izy: Izao no lazain’NY TOMPO: Amin’ny alalan’ny zatovon’ireo komandin’ny fari-piadidiana. Dia hoy izy: Iza ary no hanokatra ny ady? Ianao, hoy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Akaba: «Amin’iza?» Dia hoy ny navaliny: «Izao no lazain’i Iaveh: Amin’ny mpanompon’ny lehiben’ny isam-pizaran-tany.» Ka hoy i Akaba: «Iza no hamely aloha?» Ary hoy ny navaliny: «Ianao ihany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Ahaba: –Amin’ny alalan’iza anefa? Ka novalian’ilay mpaminany hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Amin’ny alalan’ireo tovolahy izay nofantenan’ny filoha isam-paritany.» Fa hoy indray i Ahaba: –Iza àry no hamaky ny ady? Dia hoy ilay mpaminany hoe: –Ianao ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Ahaba: Amin'iza? Ary hoy izy: Izao no lazain'i Jehovah: Amin'ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony. Dia hoy izy: Iza ary no hamely aloha? Hianao ihany, hoy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Ahaba: Amin’ny alalan’iza? Dia hoy izy: Izao no lazain’NY TOMPO: Amin’ny alalan’ny zatovon’ireo komandin’ny fari-piadidiana. Dia hoy izy: Iza ary no hanokatra ny ady? Ianao, hoy izy.
malagasy
Ary hoy Ahaba: Amin'iza? Ary hoy izy: Izao no lazain'i Jehovah: Amin'ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony. Dia hoy izy: Iza ary no hamely aloha? Hianao ihany, hoy izy.