1 Kings 20:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandamina ny zatovon’ireo komandin’ny fari-piadidiana izy, koa roa amby telopolo sy roanjato no isany; manaraka izany, nandamina ny olona rehetra izy, dia ny Zanak’Israely rehetra, koa fito arivo no isany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nampanaovin’i Akaba matso ny mpanompon’ny lehiben’ny isam-pizaran-tany, ka nisy 232 ny isany. Nanarakaraka azy ireo dia nampanaoviny matso koa ny zanak’i Israely rehetra, ka 7.000 no isany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nalahatr’i Ahaba ireo zatovo nofantenan’ny filoha isam-paritany ka nahitana 232. Nalahany nanarakaraka an’ireo koa ny miaramila israelita rehetra ka nisy fito arivo.
Malagasy Bible 1865
Ary nandamina ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony izy, ka roa amby telo-polo amby roan-jato no isany; ary manarakaraka izany, dia nandamina ny olona rehetra izy, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka fito arivo no isany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandamina ny zatovon’ireo komandin’ny fari-piadidiana izy, koa roa amby telopolo sy roanjato no isany; manaraka izany, nandamina ny olona rehetra izy, dia ny Zanak’Israely rehetra, koa fito arivo no isany.
malagasy