1 Kings 20:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny zatovon’ireo komandin’ny fari-piadidiana izany no nivoaka voalohany. Ary nandefa iraka i Beny-Hadada ka nisy nanao tatitra hoe: Misy olona miainga avy any Samaria.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpanompon’ny lehiben’ny isam-pizaran-tany no nivoaka voalohany. Ary naniraka hanontany i Benadaba, ka nilaza hoe: «Misy olona nivoaka avy any Samaria.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny zatovo voafantina isam-paritany no nanafika voalohany; dia nandefa miaramila mpisafo i Bena-Hadada hijery izay mitranga any, ka nilazana izy hoe: «Misy olona mivoaka hanafika avy any Samaria.»
Malagasy Bible 1865
Ary ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony nivoaka voalohany; ary Beni-hadada naniraka, ka dia nilazana hoe: Misy olona efa nivoaka avy any Samaria.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny zatovon’ireo komandin’ny fari-piadidiana izany no nivoaka voalohany. Ary nandefa iraka i Beny-Hadada ka nisy nanao tatitra hoe: Misy olona miainga avy any Samaria.
malagasy
Ary ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony nivoaka voalohany; ary Beni-hadada naniraka, ka dia nilazana hoe: Misy olona efa nivoaka avy any Samaria.