1 Kings 20:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nankany amin’ny mpanjakan’ny Israely ilay mpaminany ka niteny taminy hoe: Mahereza tsara, ary fantaro sy jereo izay ataonao; fa raha miherina ny taona dia hiakatra indray ny mpanjakan’i Arama hiady aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay nanatona ny mpanjakan’i Israely indray ilay mpaminany ka nanao taminy hoe: «Ndeha, matanjaha tsara dieny izao ka diniho sy fantaro izay hataonao fa ho avy hamely anao indray ny mpanjakan’i Siria rehefa miherina ny taona.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nankany amin’ny mpanjakan’i Israely ilay mpaminany ka nanao taminy hoe: –Mahereza ary diniho tsara izay tokony hataonao, fa amin’ny herintaona dia hiakatra hanafika anao indray ny mpanjakan’i Siria.
Malagasy Bible 1865
Ary ilay mpaminany nankany amin'ny i mpanjakan'ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Mahereza tsara, ary fantaro sy izahao izay ataonao; fa raha miherina ny taona, dia hiakatra indray ny mpanjakan'i Syria hiady aminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nankany amin’ny mpanjakan’ny Israely ilay mpaminany ka niteny taminy hoe: Mahereza tsara, ary fantaro sy jereo izay ataonao; fa raha miherina ny taona dia hiakatra indray ny mpanjakan’i Arama hiady aminao.
malagasy