1 Kings 20:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ny mpanompon’ny mpanjakan’i Arama taminy: Andriamanitry ny havoana ny andriamanitr’izy ireo, koa izany no nahareseny antsika. Fa aoka ange isika hiady aminy eny amin’ny tany lemaka, raha tsy ho resintsika izy e!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny mpanompon’ny mpanjakan’i Siria taminy: «Andriamanitry ny tendrombohitra, ny Andriamanitr’i Israely; ka izany no nahareseny antsika. Fa aoka ange hiadiantsika an-tany lemaka izy, raha tsy ho resintsika mihitsy izy é!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny minisitry ny mpanjakan’i Siria taminy: –Ny Andriamanitr’i Israely dia Andriamanitry ny tendrombohitra, koa izany no nahareseny antsika. Fa raha eny an-tany lemaka kosa no hiadiantsika aminy dia tsy maintsy ho resintsika ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny mpanompon'ny mpanjakan'i Syria taminy: Andriamanitry ny havoana ny Andriamanitr'izy ireo, koa izany no nahareseny antsika; fa aoka ange isika hiady aminy eny an-tany lemaka, raha tsy ho resintsika izy e.!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ny mpanompon’ny mpanjakan’i Arama taminy: Andriamanitry ny havoana ny andriamanitr’izy ireo, koa izany no nahareseny antsika. Fa aoka ange isika hiady aminy eny amin’ny tany lemaka, raha tsy ho resintsika izy e!
malagasy