1 Kings 20:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ianao kosa, makà miaramila toraky ny miaramilanao izay maty teo, ary soavaly ho solon’ny soavaly sy kalesy fitondra miady ho solon’ny kalesy fitondra miady; dia hiady aminy eny amin’ny tany lemaka isika ka hahery noho izy. Dia nanaiky ny tenin’ireo izy ka nataony araka izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary manangàna tafika sahala amin’ilay teo, misy soavaly toraky ny teo, ary kalesy toraky ny teo koa. Amin’izay dia hiadiantsika eny an-tany lemaka ireny, ka tsy maintsy resintsika mihitsy.» Narahiny ny torohevitr’izy ireo, ka dia nanao araka izany tokoa izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Makà miaramila maro sahala amin’ireo miaramilanao resy teo ary koa soavaly sy kalesy marobe toy ny teo aloha; dia hiady amin’ny tafik’i Israely eny an-tany lemaka isika, ka azo antoka fa isika indray no hahery amin’izay. Neken’i Bena-Hadada ny torohevitr’ireo minisitra ka narahiny.
Malagasy Bible 1865
ary ianao kosa dia makà miaramila ho anao toraka ny miaramilanao izay maty teo ary soavaly ho solon'ny soavaly sy kalesy ho solon'ny kalesy; ary hiady aminy eny an-tany lemaka isika, ka dia hahery noho izy tokoa. Ary nanaiky ny tenin'ireo izy, ka dia nataony izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ianao kosa, makà miaramila toraky ny miaramilanao izay maty teo, ary soavaly ho solon’ny soavaly sy kalesy fitondra miady ho solon’ny kalesy fitondra miady; dia hiady aminy eny amin’ny tany lemaka isika ka hahery noho izy. Dia nanaiky ny tenin’ireo izy ka nataony araka izany.
malagasy