1 Kings 20:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny Zanak’Israely rehetra koa dia nalamina sy novatsiana ka lasa hiady aminy. Ary ny Zanak’Israely nitoby tandrifiny dia toy ny andian’osy roa toko kely, fa ny Arameana kosa dia nanenika ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nampanaovina matso koa ny zanak’i Israely, dia nandray vatsy izy ka hihaona amin’ny Sirianina. Nitoby tandrify azy ny zanak’i Israely ka sahala amin’ny andian’osy roa toko kely izy ireo, fa ireto Sirianina nanenika ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampanaovin’i Ahaba matso koa ny miaramila israelita sady nandray vatsy, ary niainga hifanehatra amin’ny fahavalo. Nitoby nanao antokony roa teo anoloan’ny Sirianina izy; tahaka ny osy andiany roa kely ny Israelita, fa ny Sirianina kosa nanenika ny tany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Zanak'Isiraely rehetra kosa dia nalamina sy novatsiana, ka dia lasa hiady aminy; ary ny Zanak'Isiraely nitoby tandrifiny toy ny osy andiany kely roa toko; fa ny Syriana kosa nanenika ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny Zanak’Israely rehetra koa dia nalamina sy novatsiana ka lasa hiady aminy. Ary ny Zanak’Israely nitoby tandrifiny dia toy ny andian’osy roa toko kely, fa ny Arameana kosa dia nanenika ny tany.
malagasy
Ary ny Zanak'Isiraely rehetra kosa dia nalamina sy novatsiana, ka dia lasa hiady aminy; ary ny Zanak'Isiraely nitoby tandrifiny toy ny osy andiany kely roa toko; fa ny Syriana kosa nanenika ny tany.