1 Kings 20:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanatona ilay lehilahin’Andriamanitra ka nilaza tamin’ny mpanjakan’ny Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Satria nilaza ny Arameana hoe: Andriamanitry ny havoana ihany NY TOMPO fa tsy mba andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tananao ireo vahoaka marobe rehetra ireo ka ho fantatrao fa Izaho no TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy olon’Andriamanitra anankiray nanatona ka nilaza tamin’ny mpanjakan’i Israely hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Noho ny Sirianina, nanao hoe: Andriamanitry ny tendrombohitra i Iaveh, fa tsy mba andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tananao avokoa ireo vahoaka be ireo, ka ho fantatrareo fa i Iaveh Aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanatona ilay olon’Andriamanitra ka niteny tamin’ny mpanjakan’i Israely hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Satria nataon’ny Sirianina fa Andriamanitry ny tendrombohitra ihany ny TOMPO fa tsy mba Andriamanitry ny tany lemaka koa, dia hatolotro eo an-tananao ireo miaramila marobe ireo, ka ho fantatrao fa Izaho no TOMPO.»
Malagasy Bible 1865
Ary nanatona ilay lehilahin'Andriamanitra ka nilaza tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Satria ny Syriana nilaza hoe: Andriamanitry ny havoana ihany Jehovah, fa tsy mba Andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tananao ireo olona maro be rehetra ireo, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanatona ilay lehilahin’Andriamanitra ka nilaza tamin’ny mpanjakan’ny Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Satria nilaza ny Arameana hoe: Andriamanitry ny havoana ihany NY TOMPO fa tsy mba andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tananao ireo vahoaka marobe rehetra ireo ka ho fantatrao fa Izaho no TOMPO.
malagasy