1 Kings 20:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitoby nifanandrify nandritra hafitoana izy roa tonta. Ary tamin’ny andro fahafito dia raikitra ny ady ka indray andro monja ny Zanak’Israely dia nahafaty miaramila an-tongotra iray hetsy tamin’ny Arameana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hafitoana izy ireo nitoby nifanatrika teo ihany. Fa nony tamin’ny andro fahafito rafitra ny ady, dia nahafatesan’ny zanak’i Israely miaramila an-tongotra 100.000 ny Sirianina tamin’ny andro iray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandritra ny fito andro dia nitoby nifanatrika teo foana izy roa tonta, ka raikitra ny ady tamin’ny andro fahafito; ary nahafaty miaramila sirianina mpandeha an-tongotra antokony zato ny Israelita tao anatin’ny iray andro monja.
Malagasy Bible 1865
Dia nitoby mifanandrify hafitoana izy roa tonta. Ary tamin'ny andro fahafito, dia raikitra ny ady; ary ny Zanak'Isiraely nahafaty ny miaramila an-tongotra iray hetsy tamin'ny Syriana indray andro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Dia nitoby mifanandrify hafitoana izy roa tonta. Ary tamin'ny andro fahafito, dia raikitra ny ady; ary ny Zanak'Isiraely nahafaty ny miaramila an-tongotra iray hetsy tamin'ny Syriana indray andro.