1 Kings 20:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny sisa kosa dia nandositra nankany Afeka tao an-tanàna; nefa nianjeran’ny manda ny olona fito arivo sy roa alina sisa. I Beny-Hadada kosa dia nandositra nankany an-tanàna ka nifindrafindra efitrano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny sisa indray nandositra tao Afeka, tao an-tanàna, ary nianjeran’ny manda ny lehilahy 17.000 sisa. Efa nandositra i Benadaba ka dia nandehandeha tao an-tanàna nifindrafindra efitrano,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izay sisa tsy maty dia nandositra nankany Afeka ary nisy antokony 27, nefa nianjeran’ny mandan’ny tanàna avokoa ireny. Fa afa-nandositra i Bena-Hadada ka niditra tao an-tanàna ary niery tao an’efitrano anatiny indrindra tamin’ny trano anankiray.
Malagasy Bible 1865
Fa ny sisa dia nandositra nankany an-tanàna Afeka; nefa nianjeran'ny manda ireny olona sisa ireny, ary fito arivo amby roa alina no isany. Ary Beni-hadada nandositra nankany an-tanàna ka niditra tao amin'ny efi-trano anatiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny sisa kosa dia nandositra nankany Afeka tao an-tanàna; nefa nianjeran’ny manda ny olona fito arivo sy roa alina sisa. I Beny-Hadada kosa dia nandositra nankany an-tanàna ka nifindrafindra efitrano.
malagasy
Fa ny sisa dia nandositra nankany an-tanàna Afeka; nefa nianjeran'ny manda ireny olona sisa ireny, ary fito arivo amby roa alina no isany. Ary Beni-hadada nandositra nankany an-tanàna ka niditra tao amin'ny efi-trano anatiny. [Na: nitsofotsofoka amin'ny efi-trano]