1 Kings 20:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, renay fa mpanjaka mamindra fo ireo mpanjakan’ny taranak’Israely; koa miangavy anao aho, avelao hisikina lamba fisaonana izahay ary hanisy mahazaka ny lohanay dia hankany amin’ny mpanjakan’ny Israely; angamba hovelominy ny ainao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka hoy ny mpanompony taminy: «Indro fa efa renay fa mpanjaka antra olona ny mpanjakan’ny tranon’i Israely, ka aoka hosikinanay lasàka ny valahanay, ary hasianay mahazaka ny lohanay, dia hivoaka ho any amin’ny mpanjakan’i Israely izahay, sao mba mitsitsy ny ainao izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy iretsy minisitra taminy: –Renay fa mpanjaka antra olona ireo mpanjakan’i Israely ireo; koa aoka hisikina lamba gony izahay, ary aoka hofatorana mahazaka eo ambony lohanay ny tananay, dia hankany amin’ny mpanjakan’i Israely izahay, sao mba hitsimbina ny ainao izy.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, efa renay fa mpanjaka mamindra fo ireo mpanjakan'ny taranak'Isiraely. Koa masìna ianao, avelao hosikinanay lamba fisaonana ny valahanay, ary hasianay mahazaka ny lohanay, dia hankany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izahay; angamba hovelominy ny ainao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, renay fa mpanjaka mamindra fo ireo mpanjakan’ny taranak’Israely; koa miangavy anao aho, avelao hisikina lamba fisaonana izahay ary hanisy mahazaka ny lohanay dia hankany amin’ny mpanjakan’ny Israely; angamba hovelominy ny ainao.
malagasy
Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, efa renay fa mpanjaka mamindra fo ireo mpanjakan'ny taranak'Isiraely. Koa masìna ianao, avelao hosikinanay lamba fisaonana ny valahanay, ary hasianay mahazaka ny lohanay, dia hankany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izahay; angamba hovelominy ny ainao. [Heb. lamba malailay]