1 Kings 20:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nisikina lamba fisaonana izy ary nasiany mahazaka ny lohany dia nankany amin’ny mpanjakan’ny Israely izy ka niteny hoe: Izao no tenin’i Beny-Hadada mpanomponao: Avelao mba ho velona ny aiko! Ary hoy i Ahaba: Moa mbola velona ihany va izy? Rahalahiko izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nosikinany lasàka izy, nasiany mahazaka ny lohany, ary nankany amin’ny mpanjakan’i Israely izy, nanao hoe: «Izao no lazain’i Benadaba, mpanomponao: Aoka mba ho sitrakao ny hitsitsy ny aiko!» Ka hoy ny navalin’i Akaba: «Mbola velona va izy? Rahalahiko izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nisikina lamba gony ireo ary ny tanany nofatorana mahazaka teo ambony lohany, dia nankany amin’ny mpanjakan’i Israely izy sady nanao hoe: –Mitalaho aminao i Bena-Hadada mpanomponao mba hitsimbina ny ainy. Fa hoy i Ahaba: –Moa mbola velona ve izy? Rahalahiko manko izy!
Malagasy Bible 1865
Dia nosikinany lamba fisaonana ny valahany, ary nasiany mahazaka ny lohany, dia nankany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izy ka nanao hoe: Izao no fitenin'i Beni-hadada mpanomponao: Avelao mba ho velona ny aiko. Ary hoy izy: Moa mbola velona ihany va izy? Rahalahiko izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nisikina lamba fisaonana izy ary nasiany mahazaka ny lohany dia nankany amin’ny mpanjakan’ny Israely izy ka niteny hoe: Izao no tenin’i Beny-Hadada mpanomponao: Avelao mba ho velona ny aiko! Ary hoy i Ahaba: Moa mbola velona ihany va izy? Rahalahiko izy.
malagasy
Dia nosikinany lamba fisaonana ny valahany, ary nasiany mahazaka ny lohany, dia nankany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izy ka nanao hoe: Izao no fitenin'i Beni-hadada mpanomponao: Avelao mba ho velona ny aiko. Ary hoy izy: Moa mbola velona ihany va izy? Rahalahiko izy.[Heb. lamba malailay]