1 Kings 20:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nataon’ireo olona ireo fa fambara tsara izany ka tsy niahotrahotra izy ireo nandray azy tamin’ny teniny ka niteny hoe: Rahalahinao hoe i Beny-Hadada! Dia hoy i Ahaba: Mandehana, alao izy. Dia nankany aminy i Beny-Hadada ka nasainy niakatra ho eo amin’ny kalesy fitondrany miady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noraisin’ireo olona ireo ho fambara tsara izany teny izany, ka novonjeny nosamborina faingana izany teny izany nataony hoe: «Rahalahinao i Benadaba.» Dia hoy i Akaba: «Mandehana alao izy.» Nony tonga teo aminy i Benadaba, dia nasainy niakatra ho amin’ny kalesiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fambara tsara ho azy ireo izany ka dia nohararaotiny haingana nanaovana hoe: –Rahalahinao hoe i Bena-Hadada! Dia hoy indray i Ahaba: –Mandehana ka alao izy. Dia nankany aminy i Bena-Hadada ka nampitaingeniny tamin’ny kalesiny.
Malagasy Bible 1865
Ary nataon'ireo olona ireo fa zara ho azy izany, dia namonjy nanantitra ny teniny izy ka nanao hoe: Rahalahinao hoe Beni-adada. Dia hoy izy: Mandehana, alao izy. Ary Beni-hadada nankany aminy, dia nasainy niakatra ho eo amin'ny kalesiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nataon’ireo olona ireo fa fambara tsara izany ka tsy niahotrahotra izy ireo nandray azy tamin’ny teniny ka niteny hoe: Rahalahinao hoe i Beny-Hadada! Dia hoy i Ahaba: Mandehana, alao izy. Dia nankany aminy i Beny-Hadada ka nasainy niakatra ho eo amin’ny kalesy fitondrany miady.
malagasy
Ary nataon'ireo olona ireo fa zara ho azy izany, dia namonjy nanantitra ny teniny izy ka nanao hoe: Rahalahinao hoe Beni-adada. Dia hoy izy: Mandehana, alao izy. Ary Beni-hadada nankany aminy, dia nasainy niakatra ho eo amin'ny kalesiny.[Heb. nanao sikidy]