1 Kings 20:34 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Beny-Hadada taminy: Ny tanàna izay nalain’ny raiko tamin’ny rainao dia hampodiko; ary manaova varotra ho anao any Damaskosy, tahaka ny nataon’ny raiko tany Samaria. Dia hoy i Ahaba: Havelako handeha ianao noho izany fanekena izany. Dia nanao fanekena taminy izy ka namela azy handeha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Benadaba taminy: «Hampodiko aminao ny tanàna nalain’ikaky tamin-drainao, ary hanao lalana ho anao any Damasa ianao tahaka ny nataon’ikaky tany Samaria.» Ka hoy i Akaba: «Ary izaho kosa handefa anao rehefa manao fanekem-pihavanana amiko ianao.» Dia nanao fanekena taminy izy, ka nalefany handeha.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy kosa i Bena-Hadada tamin’i Ahaba: –Haveriko aminao ny tanàna izay nalain’ny raiko tamin-drainao; ary afa-manao varotra any Damasy toy izay nataon-draiko tany Samaria ianao. Ary hoy i Ahaba: –Hanao izany fifanekena izany aminao aho, dia hamela anao handeha avy eo. Rehefa nahavita izany fifanekena izany i Ahaba, dia namela azy handeha.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Beni-hadada taminy: Ny tanàna izay nalain'ny raiko tamin'ny rainao dia hampodiko; ary manaova lalambe ho anao any Damaskosy, tahaka ny nataon'ny raiko tany Samaria. Ary hoy Ahaba: Halefako ianao amin'izany fanekena izany. Dia nanao fanekena taminy izy ka nandefa azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Beny-Hadada taminy: Ny tanàna izay nalain’ny raiko tamin’ny rainao dia hampodiko; ary manaova varotra ho anao any Damaskosy, tahaka ny nataon’ny raiko tany Samaria. Dia hoy i Ahaba: Havelako handeha ianao noho izany fanekena izany. Dia nanao fanekena taminy izy ka namela azy handeha.
malagasy