1 Kings 20:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy lehilahy iray, zanaky ny mpaminany, niteny tamin’ny namany araka ny tenin’NY TOMPO hoe: Miangavy anao aho, kapohy aho! Tsy nety nikapoka azy anefa ilay namany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny anankiray amin’ny zanaky ny mpaminany, niteny tamin’ny namany, ao amin’ny tenin’i Iaveh, nanao hoe: «Masìna ianao, vonoy aho!» Tsy nety namono azy anefa ilay lehilahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tao anatin’ny andia-mpaminany anankiray dia nisy lehilahy niteny tamin’ny namany araka ny baikon’ny TOMPO hoe: «Asio aho!», nefa tsy nety namely azy ilay namany.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy lehilahy anankiray, zanaky ny mpaminany, niteny tamin'ny namany araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Masìna ianao asio aho. Fa tsy nety namely azy ilay lehilahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy lehilahy iray, zanaky ny mpaminany*, niteny tamin’ny namany araka ny tenin’NY TOMPO hoe: Miangavy anao aho, kapohy aho! Tsy nety nikapoka azy anefa ilay namany.
malagasy
Ary nisy lehilahy anankiray, zanaky ny mpaminany, niteny tamin'ny namany araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Masìna ianao asio aho. Fa tsy nety namely azy ilay lehilahy.