1 Kings 20:36 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy taminy: Satria tsy nihaino ny feon’NY TOMPO ianao, indro, raha vao miala amiko eto ianao dia hisy liona hamono anao. Ary raha vao niala teo aminy tokoa ilay namany dia nisy liona nifanena taminy ka namono azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy izy taminy: «Noho ianao tsy nihaino ny feon’i Iaveh, dia indro hovonoin’ny liona ianao, raha vao miala eto amiko.» Dia niala teo aminy ilay lehilahy dia nifanehitra tamin’ny liona, ka novonoiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ralehilahy taminy: –Satria tsy nankatoavinao ny TOMPO, dia hisy liona hamely anao raha vao miala eto amiko ianao. Koa raha vao niala teo aminy izy, dia tojo liona izay namono azy ho faty.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy taminy: Satria ianao tsy nihaino ny feon'i Jehovah, indro, fa raha vao miala amiko eto ianao, dia hisy liona hamono anao. Ary raha vao niala teo aminy izy, dia hitan'ny liona ka novonoiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy taminy: Satria tsy nihaino ny feon’NY TOMPO ianao, indro, raha vao miala amiko eto ianao dia hisy liona hamono anao. Ary raha vao niala teo aminy tokoa ilay namany dia nisy liona nifanena taminy ka namono azy.
malagasy