1 Kings 20:39 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nandalo ny mpanjaka dia nitaraina taminy ilay mpaminany hoe: Izaho mpanomponao dia nankany anatin’ny ady; ary indro, nisy lehilahy iray nivily ka nitondra lehilahy iray tany amiko sady niteny hoe: Hazòny ity lehilahy ity; fa raha toa ka lasa izy dia ny ainao no hisolo ny ainy, na handoa volafotsy iray talenta ianao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina tamin’ny mpanjaka izy nanao hoe: «Nivoaka teo afovoan’ny ady ny mpanomponao ary indro fa nisy lehilahy anankiray nitsoaka, nitondra olona anankiray teo amiko, nataony hoe: Hazòny ralehilahy ity, fa raha lasa io, ny ainao no manefa, na handoa talenta volafotsy iray ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa rehefa nandalo ny mpanjaka, dia nitarainany nataony hoe: –Ry andriamanjaka ô, tao anatin’ny ady aho no indro nisy olona nivoaka an-daharana nitondra mpigadra iray teo amiko sady niteny hoe: «Ambeno ity lehilahy ity! Fa raha mandositra io, dia ianao no ho faty hisolo azy, na koa handoa volafotsy 35 kilao amiko ianao.»
Malagasy Bible 1865
Ary nony nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina taminy ilay mpaminany ka nanao hoe: Izaho mpanomponao nankany anatin'ny ady; ary, indro, nisy lehilahy anankiray nivily ka nitondra lehilahy tany amiko sady nanao hoe: Hazony ity lehilahy ity; fa raha tahìny lasa izy, dia ny ainao no hisolo ny amy, na handoa talenta volafotsy iray ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nandalo ny mpanjaka dia nitaraina taminy ilay mpaminany hoe: Izaho mpanomponao dia nankany anatin’ny ady; ary indro, nisy lehilahy iray nivily ka nitondra lehilahy iray tany amiko sady niteny hoe: Hazòny ity lehilahy ity; fa raha toa ka lasa izy dia ny ainao no hisolo ny ainy, na handoa volafotsy iray talenta* ianao!
malagasy