1 Kings 20:42 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy taminy: Izao no lazain’NY TOMPO: Satria nalefanao niala teo an-tananao ny lehilahy izay tena nataoko ho zavatra voaozona, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny olonao no hisolo ny olony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy izy tamin’ny mpanjaka: «Izao no lazain’i Iaveh: Noho ianao nandefa teo am-pelatananao ny olona nasaiko natao anatema, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny vahoakanao no hisolo ny vahoakany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ilay mpaminany taminy: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Satria navelanao handeha ilay lehilahy nohelohiko ho faty, dia ianao kosa no ho faty hisolo azy, ary ny vahoakanao no ho faty hisolo ny vahoakany.»
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Satria nalefanao niala teo an-tananao ny lehilahy izay nasaiko hovonoina tokoa, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny olonao no hisolo ny olony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy taminy: Izao no lazain’NY TOMPO: Satria nalefanao niala teo an-tananao ny lehilahy izay tena nataoko ho zavatra voaozona, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny olonao no hisolo ny olony.
malagasy
Dia hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Satria nalefanao niala teo an-tananao ny lehilahy izay nasaiko hovonoina tokoa, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny olonao no hisolo ny olony.[Heb. nataoko herema]Ary ny mpanjakan'ny Isiraely nandeha ho any an-tranony sady nalahelo no sosotra, dia tonga tany Samaria.