1 Kings 20:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa raha maniraka ny mpanompoko ho atỳ aminao aho rahampitso toy izao dia hosavainy ny tranonao sy ny tranon’ny mpanomponao, ary horaisin’ny tanany sy hoentiny avokoa izay rehetra mahafinaritra ny masonao na inona na inona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo rehefa halefako ho atỳ aminao rahampitso toy izao ny mpanompoko dia hisava ny tranonao sy ny tranon’ny mpanomponao izy, dia horaisin’ny tanany sy hoentiny avokoa izay rehetra sarobidy eo imasonao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa rahampitso amin’ny ora toy izao, dia hirahiko hankatỳ aminao ny mpanompoko hisava ny tranonao sy ny an’ny mpanomponao. Koa izay rehetra nahafinaritra ny masonao dia halainy ka hoentiny avokoa.»
Malagasy Bible 1865
koa raha maniraka ny mpanompoko ho atỳ aminao aho rahampitso toy izao, ka savany ny tranonao sy ny tranon'ny mpanomponao, dia horaisin'ny tànany sy ho entiny avokoa izay rehetra mahafinaritra ny masonao na inona na inona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa raha maniraka ny mpanompoko ho atỳ aminao aho rahampitso toy izao dia hosavainy ny tranonao sy ny tranon’ny mpanomponao, ary horaisin’ny tanany sy hoentiny avokoa izay rehetra mahafinaritra ny masonao na inona na inona.
malagasy