1 Kings 20:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nampaka ny loholona rehetra amin’ny tany ny mpanjakan’ny Israely ka niteny hoe: Miangavy anareo aho, fantaro ka jereo fa mila sotasota mihitsy Ilehiny; fa nandefa iraka tatỳ amiko izy haka ny vady aman-janako mbamin’ny volafotsiko sy ny volamenako ka tsy nolaviko!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nantsoin’ny mpanjakan’i Israely ny loholona rehetra amin’ny tany, ka hoy izy: «Fantaro sy zahao fa mitady hampidi-doza amintsika io lehilahy io, nangataka ny vady aman-janako, mbamin’ny volafotsy sy volamenako, ka tsy nandà izany aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampiantsoin’ny mpanjakan’i Israely ny loholona rehetra teo amin’ny taniny ka nilazany hoe: –Hitanareo tsara izao fa mitady hanisy ratsy antsika iny olona iny! Fa raha nitaky ny vady aman-janako mbamin’ny volafotsiko sy ny volamenako izy, dia tsy nisy nolaviko izany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjakan'ny Isiraely nampaka ny loholona rehetra amin'ny tany ka nanao hoe: Masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila sotasota mihitsy ilehiny; fa efa naniraka tatỳ amiko izy haka ny vadiko aman-janako mbamin'ny volafotsiko sy ny volamenako ka tsy nolaviko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nampaka ny loholona rehetra amin’ny tany ny mpanjakan’ny Israely ka niteny hoe: Miangavy anareo aho, fantaro ka jereo fa mila sotasota mihitsy Ilehiny; fa nandefa iraka tatỳ amiko izy haka ny vady aman-janako mbamin’ny volafotsiko sy ny volamenako ka tsy nolaviko!
malagasy