1 Kings 20:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Ahaba tamin’ny irak’i Beny-Hadada: Lazao amin’ny mpanjaka tompoko hoe: Izay rehetra nanirahanao tany amiko mpanomponao tamin’ny voalohany dia hataoko; fa izao zavatra izao kosa dia tsy azoko ekena. Dia lasa ireo iraka ka nitondra teny niverina tany amin’i Beny-Hadada indray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka dia hoy i Akaba namaly ny irak’i Benadaba: «Izao no lazao amin’ny mpanjaka tompoko: Izay rehetra nanirahanao hangatahina tamiko tamin’ny voalohany dia hataoko, fa ny amin’izao zavatra izao kosa, tsy azoko atao.» Dia niverina ny iraka nitondra izany valy izany taminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Ahaba tamin’ny irak’i Bena-Hadada: –Lazao amin’ny andriamanjaka hoe: «Izay rehetra notakinao tamiko tamin’ny voalohany dia hataoko; fa izao lazainao amiko izao kosa tsy azoko ekena.» Dia lasa ny iraka nitondra izany valinteny izany tany amin’i Bena-Hadada.
Malagasy Bible 1865
Ka dia hoy Ahaba tamin'ny irak'i Beni-hadada. Lazao amin'ny mpanjaka tompoko hoe: Izay rehetra nanirahanao tany amiko mpanomponao tamin'ny voalohany dia hataoko; fa izao zavatra izao kosa tsy azoko ekena. Dia lasa ireo iraka ka nitondra teny niverina tany amin'i Beni-hadada indray;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Ahaba tamin’ny irak’i Beny-Hadada: Lazao amin’ny mpanjaka tompoko hoe: Izay rehetra nanirahanao tany amiko mpanomponao tamin’ny voalohany dia hataoko; fa izao zavatra izao kosa dia tsy azoko ekena. Dia lasa ireo iraka ka nitondra teny niverina tany amin’i Beny-Hadada indray.
malagasy