1 Kings 21:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Taorianan’izay dia izao no zava-nitranga: I Nabota jezirelita dia nanana tanim-boaloboka tao Jezirela, akaikin’ny lapan’i Ahaba, mpanjakan’i Samaria.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Taorian’izany zavatra izany, tao Jezrahela kosa, dia nanana tanimboaloboka anankiray i Nabôta avy ao Jezrahela, ary teo akaikin’ny lapan’i Akaba mpanjakan’i Samaria izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany dia izao no nitranga: nisy lehilahy natao hoe Nabôta tao Jizrehela, izay nanana tanimboaloboka teo akaikin’ny lapan’i Ahaba mpanjakan’i Samaria.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka izany zavatra izany, Nabota Jezirelita nanana tanim-boaloboka tao Jezirela, takaikin'ny lapan'i Ahaba, mpanjakan'i Samaria.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Taorianan’izay dia izao no zava-nitranga: I Nabota jezirelita dia nanana tanim-boaloboka tao Jezirela, akaikin’ny lapan’i Ahaba, mpanjakan’i Samaria.
malagasy
[Ny namonoana an'i Nabota. sy ny nahazoan'i Ahaba ny tanim-boalobony ary ny loza voalaza Anjo an'i Ahaba] Ary rehefa afaka izany zavatra izany, Nabota Jezirelita nanana tanim-boaloboka tao Jezirela, takaikin'ny lapan'i Ahaba, mpanjakan'i Samaria.