1 Kings 21:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia asio roa lahy izay tena ratsy fanahy mipetraka manatrika azy sady hiampanga azy hoe: Niteny ratsy an’Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao! Dia ento miala teo izy ka torahy vato ho faty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary manangàna olon’i Beliala roa lahy eo anatrehany, hiampanga azy toy izao: Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka ialahy! Dia ento mankany ivelany izy, ka torahy vato ho faty.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mifanatrika aminy eo kosa dia asio roa lahy mba hiampanga lainga azy ho nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka. Ary ento any ivelan’ny tanàna izy ka torahy vato ho faty ».
Malagasy Bible 1865
Dia anangano roa lahy izay tena ratsy fanahy ho eo anatrehany hiampanga azy hoe: Efa niteny ratsy an'Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao. Dia ento mivoaka izy, ka torahy vato ho faty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia asio roa lahy izay tena ratsy fanahy mipetraka manatrika azy sady hiampanga azy hoe: Niteny ratsy an’Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao! Dia ento miala teo izy ka torahy vato ho faty.
malagasy
Dia anangano roa lahy izay tena ratsy fanahy ho eo anatrehany hiampanga azy hoe: Efa niteny ratsy an'Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao. Dia ento mivoaka izy, ka torahy vato ho faty.