1 Kings 21:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny olona tao an-tanànany, dia ny loholona sy ny manankaja izay nonina tao, nanatanteraka izay nanirahan’i Jezebela tany aminy, dia izay voasoratra tao amin’ireo taratasy nampitondrainy tany aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao araka izay nanirahan’i Jezabela holazaina aminy araka izay voasoratra amin’ny taratasy nampitondrainy azy, ny olona tao an-tanànan’i Nabôta, ny loholona sy andriambaventy nonina tao an-tanànany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny loholona sy ny manampahefana tao an-tanànan’i Nabôta dia nanao araka ny baikon’i Jezebela tamin’ny taratasy nalefany ho azy ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary ny olona tao an-tanànany, dia ny loholona sy ny manan-kaja izay nonina tao, nanao araka izay nanirahan'i Jezebela tany aminy, dia ilay voasoratra ao amin'ny taratasy izay nampitondrainy tany aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny olona tao an-tanànany, dia ny loholona sy ny manankaja izay nonina tao, nanatanteraka izay nanirahan’i Jezebela tany aminy, dia izay voasoratra tao amin’ireo taratasy nampitondrainy tany aminy.
malagasy