1 Kings 21:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niditra ireo roalahy tena ratsy fanahy ka nipetraka nanatrika azy, dia niampanga an’i Nabota ireo ka niteny hoe: Niteny ratsy an’Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabota! Dia noentin’ny olona nivoaka teny ivelan’ny tanàna i Nabota dia notorahiny vato ka maty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary nandroso ho eo anatrehany ny olona roa lahy zanak’i Beliala. Ary niampanga an’i Nabôta teo anatrehan’ny vahoaka ireo olon’i Beliala nanao hoe: «Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabôta!» Dia nentin’izy ireo nankany ivelan-tanàna izy, notoraham-bato ka maty.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niroso teo anoloan’i Nabôta ireo tsivalahara roa lahy ka niampanga lainga azy teo anatrehan’ny olona hoe: –Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabôta! Koa dia nentin’ny olona tany ivelan’ny tanàna izy ary notorahany vato mandra-pahafatiny.
Malagasy Bible 1865
Ary niditra ilay roa lahy tena ratsy fanahy ka nipetraka teo anatrehany, dia niampanga an'i Nabota teo anatrehan'ny olona ireo ka nanao hoe: Niteny ratsy an'Andriamanitra sy ny mpanjaka Nabota. Ary nentin'ny olona nivoaka teny ivelan'ny tanàna Nabota, dia notorahany vato ka maty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niditra ireo roalahy tena ratsy fanahy ka nipetraka nanatrika azy, dia niampanga an’i Nabota ireo ka niteny hoe: Niteny ratsy an’Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabota! Dia noentin’ny olona nivoaka teny ivelan’ny tanàna i Nabota dia notorahiny vato ka maty.
malagasy