1 Kings 21:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa ren’i Jezebela fa voatora-bato i Nabota ka maty dia hoy izy tamin’i Ahaba: Mitsangàna ka raiso ho anao ny tanim-boalobok’i Nabota jezirelita izay tsy foiny ho namidy taminao; fa tsy velona intsony i Nabota fa efa maty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony ren’i Jezabela fa notoraham-bato i Nabôta ka maty, dia hoy izy tamin’i Akaba: «Mitsangana ka alao ho anao ny tanimboalobok’i Nabôta avy any Jezrahela izay nolaviny tsy hamidy vola taminao, fa efa tsy velona intsony i Nabôta, fa efa maty izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa ren’i Jezebela fa maty notoraham-bato i Nabôta, dia hoy izy tamin’i Ahaba: –Mitsangàna ka alao ho anao ny tanimboaloboka izay tsy neken’i Nabôta hamidy taminao, satria tsy isan’ny velona intsony izy fa efa maty.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa ren'i Jezebela fa voatora-bato Nabota ka maty, dia hoy izy tamin'i Ahaba: Mitsangàna, ka alao ho anao ny tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita, izay tsy foiny ho namidy taminao; fa tsy velona intsony Nabota fa efa maty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa ren’i Jezebela fa voatora-bato i Nabota ka maty dia hoy izy tamin’i Ahaba: Mitsangàna ka raiso ho anao ny tanim-boalobok’i Nabota jezirelita izay tsy foiny ho namidy taminao; fa tsy velona intsony i Nabota fa efa maty.
malagasy