1 Kings 21:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa mitenena aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Efa namono va ianao ka mbola haka ho anao koa? Ary hiteny aminy ianao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Eo amin’ny tany izay nilelafan’ny alika ny ran’i Nabota no hilelafan’ny alika ny ranao, dia ny anao indrindra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka mitenena aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Moa tsy namono va ianao sy naka lovan’olona koa? Dia hiteny aminy ianao hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Eo amin’ny toerana nilelafan’ny alika ny ran’i Nabôta ihany no hilelafan’ny alika ny ran’ny tenanao koa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa teneno izy hoe: Izao no lazain’ny TOMPO: «Rehefa avy nahafaty olona ve ianao, dia mbola haka ny fananany koa!» Ary teneno indray izy hoe: Izao no lazain’ny TOMPO: «Eo amin’ny toerana izay nilelafan’ny alika ny ran’i Nabôta no hilelafan’ny alika ihany koa ny ranao.»
Malagasy Bible 1865
Koa mitenena aminy hoe: Izao no Jazain'i Jehovah: Efa namono va ianao ka efa naka ho anao koa? Ary ianao dia hiteny aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ao amin'ny tany izay nilelafan'ny alika ny ran'i Nabota no hilelafan'ny alika ny rànao, dia ny rànao tokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa mitenena aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Efa namono va ianao ka mbola haka ho anao koa? Ary hiteny aminy ianao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Eo amin’ny tany izay nilelafan’ny alika ny ran’i Nabota no hilelafan’ny alika ny ranao, dia ny anao indrindra.
malagasy