1 Kings 21:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niteny tamin’i Nabota i Ahaba hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao mba hataoko fambolena anana, fa akaikin’ny lapako izy io. Hatakaloko tanim-boaloboka tsara noho io, na vola izay tokony ho vidin’io, raha izany no sitraky ny fonao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka niteny tamin’i Nabôta i Akaba nanao hoe: «Avelao mba ho ahy ny tanimboalobokao, hataoko fambolena anana, fa akaiky dia akaiky ny tranoko; tanimboaloboka tsara noho izy no homeko ho takalony, na vola araka izay vidiny, raha izany no sitrakao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niteny tamin’i Nabôta i Ahaba indray andro nanao hoe: –Omeo ahy ny tanimboalobokao hataoko zaridaina fambolena anana, satria mba akaikin’ny lapako izy; homeko tanimboaloboka tsara kokoa noho io ianao ho takalony, na koa homeko izay vola tokom-bidiny raha izany no mety aminao.
Malagasy Bible 1865
Ary Ahaba niteny tamin'i Nabota hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao mba hataoko fambolena anana, fa akaikin'ny lapako izy; ary hotakalozako tanim-boaloboka tsara noho izy, na vola tokom-bidiny, raha izany no sitraky ny fonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niteny tamin’i Nabota i Ahaba hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao mba hataoko fambolena anana, fa akaikin’ny lapako izy io. Hatakaloko tanim-boaloboka tsara noho io, na vola izay tokony ho vidin’io, raha izany no sitraky ny fonao.
malagasy