1 Kings 21:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa ren’i Ahaba izany teny izany dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana nataony manolo-koditra sady nifady hanina sy nandry tamin’ny lamba fisaonana ary nijoretra teny am-pandehanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo nony nandre ny tenin’i Elia i Akaba dia norovitiny ny fitafiany, lasàka no natafiny ny tenany, nifady hanina izy, nentiny nandry ny lasàka, ary nitsilasilasy fandeha izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa ren’i Ahaba izany, dia norovitiny ny fitafiany, ka gony no nanaovany manolo-koditra; dia nifady hanina izy sady nandry tamin’ilay gony ary namindra miadana dia miadana.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa ren'i Ahaba izany teny izany, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana nataony manolo-koditra sady nifady hanina sy nandry tamin-damba fisaonana ary nijoretra teny am-pandehanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa ren’i Ahaba izany teny izany dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana nataony manolo-koditra sady nifady hanina sy nandry tamin’ny lamba fisaonana ary nijoretra teny am-pandehanana.
malagasy