1 Kings 21:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy izy taminy: Satria niteny tamin’i Nabota jezirelita aho hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao hovidiko vola na hatakaloko tanim-boaloboka hafa, raha izany no sitraky ny fonao. Nefa hoy izy tamiko: Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny navaliny azy: «Niteny tamin’i Nabôta avy any Jezrahela aho, nanao taminy hoe: Avelao hovidiko vola ny tanimboalobokao, na hotakalozako tanimboaloboka hafa, raha aleonao izany. Fa hoy izy hoe: Tsy omeko anao ny tanimboaloboko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny navaliny azy: –Nitenenako i Nabôta avy ao Jizrehela hoe: «Omeo ahy ny tanimboalobokao hovidiko na koa hatakaloko tanimboaloboka hafa, raha izany no mety aminao»; fa namaly izy hoe: «Tsy homeko anao ny tanimboaloboko».
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy taminy: Satria niteny tamin'i Nabora Jezirelita aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao hovidiko vola, na hotakalozako tanim-boaloboka hafa, raha izany no sitraky ny fonao; fa izy namaly hoe: Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy izy taminy: Satria niteny tamin’i Nabota jezirelita aho hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao hovidiko vola na hatakaloko tanim-boaloboka hafa, raha izany no sitraky ny fonao. Nefa hoy izy tamiko: Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko!
malagasy