1 Kings 21:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Jezebela vadiny taminy: Moa ianao tokoa va no manjaka amin’ny Israely? Miarena, mihinàna hanina ary aoka ho ravoravo ny fonao! Izaho no hanome anao ny tanim-boalobok’i Nabota jezirelita!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Jezabela vadiny taminy: «Moa ianao va no tompon’ny fanjakana amin’i Israely ankehitriny? Koa miarena, hano ny hanina, ary aoka hifaly ny fonao, fa tenako no hanome anao ny tanimboalobok’i Nabôta avy ao Jezrahela.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Jezebela vadiny taminy: –Ny tenanao no manjaka amin’i Israely; koa miarena, dia mihinàna, ary aoka hifaly ny fonao, fa ny tenako mihitsy no hanome anao ny tanimboalobok’i Nabôta ilay Jizrehelita.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jezebela vadiny taminy: Moa ianao tokoa va no manjaka amin'ny Isiraely izao? Miarena, mihinàna hanina, ary aoka ho ravoravo ny fonao; izaho hanome anao ny tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Jezebela vadiny taminy: Moa ianao tokoa va no manjaka amin’ny Israely? Miarena, mihinàna hanina ary aoka ho ravoravo ny fonao! Izaho no hanome anao ny tanim-boalobok’i Nabota jezirelita!
malagasy
Ary hoy Jezebela vadiny taminy: Moa ianao tokoa va no manjaka amin'ny Isiraely izao? Miarena, mihinàna hanina, ary aoka ho ravoravo ny fonao; izaho hanome anao ny tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita.