1 Kings 22:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpanjakan’ny Israely sy i Josafata, mpanjakan’ny Joda, dia samy nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany avy, teo amin’ny famoloana eo anoloan’ny vavahadin’i Samaria, sady samy niakanjo ny fanamiany avy; ary ny mpaminany rehetra dia naminany teo anatrehany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany ny mpanjakan’i Israely sy i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, samy efa tafapetraka eo amin’ny seza fiandrianany, sy samy efa niakanjo ny akanjony avy, teo amin’ny kianja anoloan’ny vavahadin’i Samaria; ary ny mpaminany rehetra, samy naminany teo anatrehan’izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny mpanjakan’i Israely sy ny mpanjakan’i Joda dia samy nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany sy efa niakanjo ny fanamiany avy, teo amin’ny kianja manoloana ny vavahadin’i Samaria, nandritra ny naminanian’ireo mpaminany rehetra ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda, samy nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany avy teo amin'ny famoloana eo anoloan'ny vavahadin'i Samaria sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo matrehany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpanjakan’ny Israely sy i Josafata, mpanjakan’ny Joda, dia samy nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany avy, teo amin’ny famoloana eo anoloan’ny vavahadin’i Samaria, sady samy niakanjo ny fanamiany avy; ary ny mpaminany rehetra dia naminany teo anatrehany.
malagasy