1 Kings 22:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaia dia niteny taminy hoe: Indro, iray feo avokoa izao ireo mpaminany ka milaza soa ho an’ny mpanjaka. Koa miangavy anao aho, aoka re ny teninao mba hifanaraka amin’ny azy ireo ka mba mitenena soa koa ianao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ilay iraka lasa niantso an’i Mikea dia niteny taminy nanao hoe: «Indro fa iray teny avokoa ny mpaminany izao, samy milaza soa ho an’ny mpanjaka, ka mba ampifanaraho amin’ny azy ireo tsirairay avy koa ny teninao, mbà milaza soa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaià kosa dia niteny taminy hoe: –Indro efa iray teny avokoa izao ireo mpaminany, ka milaza soa ho an’ny mpanjaka; enga anie ny teninao mba ho tahaka ny azy, ka hilaza soa ihany koa.
Malagasy Bible 1865
Ary ilay iraka izay nandeha naka an'i Mikaia niteny taminy hoe: Indro fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany ka milaza soa ho an'ny mpanjaka; masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an'ny anankiray amin'ireo, ka mba mitenena soa koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaia dia niteny taminy hoe: Indro, iray feo avokoa izao ireo mpaminany ka milaza soa ho an’ny mpanjaka. Koa miangavy anao aho, aoka re ny teninao mba hifanaraka amin’ny azy ireo ka mba mitenena soa koa ianao!
malagasy