1 Kings 22:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nankany amin’ny mpanjaka izy. Hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an’i Ramota-Gileada va isika, sa hijanona ihany? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, fa hambinina ianao, fa hatolotry NY TOMPO eo an-tananao izy, ry mpanjaka!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga teo amin’ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy: «Handeha hanafika an’i Ramôta any Galaada va isika, ry Mikea, sa tokony hijanona kosa?» Ary hoy ny navaliny azy: «Mandehana, maharese, fa hatolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny mpanjaka izany!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tonga teo anatrehan’ny mpanjaka izy, dia nanontaniany hoe: –Ry Mikaià, handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve isika sa hijanona ihany? Ka hoy ny navaliny azy: –Mandehana fa handresy ianao, ry andriamanjaka, ary hatolotry ny TOMPO eo an-tananao io tanàna io.
Malagasy Bible 1865
Dia nankany amin'ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an'i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, fa hambinina ianao, fa hatolotr'i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nankany amin’ny mpanjaka izy. Hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an’i Ramota-Gileada va isika, sa hijanona ihany? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, fa hambinina ianao, fa hatolotry NY TOMPO eo an-tananao izy, ry mpanjaka!
malagasy