1 Kings 22:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Mikaia: Henoy ary ny tenin’NY TOMPO: Nahita NY TOMPO nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany aho, ary ny tafiky ny lanitra manontolo nijoro teo anilany, dia teo amin’ny ankavanany sy teo amin’ny ankaviany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Mikea; «Henoy àry ny tenin’i Iaveh: Efa hitako nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany, ary ny tafiky ny lanitra rehetra nitsangana teo akaikiny teo ankavanany sy teo ankaviany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy indray i Mikaià: –Henoy àry ny tenin’ny TOMPO: Hitako nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany manko ny TOMPO; ary ireo anjeliny marobe any an-danitra nijoro teo ankavanany sy teo ankaviany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin'i Jehovah: Nahita an'i Jehovah nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo andaniny avy, dia teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Mikaia: Henoy ary ny tenin’NY TOMPO: Nahita NY TOMPO nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany aho, ary ny tafiky ny lanitra manontolo nijoro teo anilany, dia teo amin’ny ankavanany sy teo amin’ny ankaviany.
malagasy