1 Kings 22:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy NY TOMPO: Iza no hamitaka an’i Ahaba mba handehanany ho any Ramota-Gileada ka ho lavo any? Ary ny iray dia niteny toy izao, ary ny iray kosa dia niteny toy izatsy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh: Iza no hanambaka an’i Akaba mba hiakarany any Ramôta any Galaada hahafaty azy any? Dia namaly izy ireo, nefa ny iray toy izao, ny iray toy izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy ny TOMPO nanontany hoe: «Iza no hitaona an’i Ahaba handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada mba hahafaty azy any?» Ary samy nanana ny fomba famaliny avy ny tsirairay.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an'i Ahaba handeha ho any Ramotagileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy NY TOMPO: Iza no hamitaka an’i Ahaba mba handehanany ho any Ramota-Gileada ka ho lavo any? Ary ny iray dia niteny toy izao, ary ny iray kosa dia niteny toy izatsy.
malagasy
Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an'i Ahaba handeha ho any Ramotagileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.