1 Kings 22:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nanatona i Zedekia, zanak’i Kenana, ka namely ny takolak’i Mikaia sady niteny hoe: Taiza no nialan’ny Fanahin’NY TOMPO tamiko ka nitenenany taminao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nanatona kosa i Sedesiasa zanak’i Kanaàna, ka namely ny takolak’i Mikea ary nanao hoe: «Fa taiza leity no nivoahan’ny fanahin’i Iaveh tamiko, hiteny amin’ialahy a?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay nanatona an’i Mikaià i Tsedekià zanakalahin’i Kenahanà, ka namely tehamaina azy sady nanao hoe: –Niala tamiko ve ny Fanahin’ny TOMPO mba hiteny aminao?
Malagasy Bible 1865
Fa Zedekia, zanak'i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak'i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no nialan'ny Fanahin'i Jehovah tamiko hiteny aminao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nanatona i Zedekia, zanak’i Kenana, ka namely ny takolak’i Mikaia sady niteny hoe: Taiza no nialan’ny Fanahin’NY TOMPO tamiko ka nitenenany taminao?
malagasy
Fa Zedekia, zanak'i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak'i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no nialan'ny Fanahin'i Jehovah tamiko hiteny aminao?