1 Kings 22:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy i Mikaia: Raha toa ka tafaverina soa amantsara ianao dia tsy nampitenenin’NY TOMPO aho. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany ianareo, ry firenena rehetra!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy kosa i Mikea: «Tsy niteny tamin’ny alalako i Iaveh matoa tafaverina soa aman-tsara ianao.» Sady nampiany hoe: «Samia mihaino izany ianareo vahoaka rehetra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy kosa i Mikaià: –Raha tàhiny ka tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy nampitenenin’ny TOMPO aho tsy akory.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Mikaia: Raha tàhiny ho tafaverina soa aman-tsara ianao dia tsy nampitenenin'i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany ianareo, ry firenena rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy i Mikaia: Raha toa ka tafaverina soa amantsara ianao dia tsy nampitenenin’NY TOMPO aho. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany ianareo, ry firenena rehetra!
malagasy
Fa hoy Mikaia: Raha tàhiny ho tafaverina soa aman-tsara ianao dia tsy nampitenenin'i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany ianareo, ry firenena rehetra.