1 Kings 22:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Mody hanao olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin’ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny fanamianao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan’ny Israely ka nitsarapaka tany anatin’ny ady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’i Jôsafata: «Hanao fitafiana hafa aho no handroso any amin’ny ady, fa ianao kosa ny akanjonao ihany entina.» Dia nanao fitafiana hafa ny mpanjakan’i Israely, ka nandroso tany amin’ny ady.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’i Jôsafata: –Hody olon-kafa aho, dia hirotsaka an’ady; fa ianao kosa miakanjoa ny fanamianao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan’i Israely ka nirotsaka an’ady.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin'ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan'ny Isiraely ka nitsarapaka tany anatin'ny ady.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Mody hanao olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin’ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny fanamianao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan’ny Israely ka nitsarapaka tany anatin’ny ady.
malagasy