1 Kings 22:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy lehilahy iray nandefa anjoanjo zana-tsipìka ka nahavoa ny mpanjakan’ny Israely teo amin’ny fitohizan’ny fiarovan-tratrany ka hoy izy tamin’ny mpitondra ny kalesiny: Ahodino ny kalesy ka ento miala teto amin’ny ady aho fa voa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay nisy kosa lehilahy anankiray, nandefa kitoatoa ny zana-tsipìkany, ka nahavoa ny mpanjakan’i Israely, teo anelanelan’ny fikatonan’ny ankanjom-piadiana sy ny fiarovan-tratrany. Dia hoy ny mpanjaka tamin’ny mpampandeha kalesiny: «Ahodino ka ento miala eto amin’ny ady aho, fa voa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nisy miaramila sirianina anankiray nandefa zana-tsipîka tsy nahy, ka nahavoa ny mpanjakan’i Israely teo anelanelan’ny famavàn’ny akanjo vy fiarovan-tratrany. Dia hoy ity mpanjaka tamin’ny mpamily ny kalesiny: –Ahodino ny kalesy, ka ento miala ny toeram-piadiana aho fa maratra mafy.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan'ny Isiraely teo anelanelan'ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny; ka dia hoy izy tamin'ny mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin'ny ady aho, fa voa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy lehilahy iray nandefa anjoanjo zana-tsipìka ka nahavoa ny mpanjakan’ny Israely teo amin’ny fitohizan’ny fiarovan-tratrany ka hoy izy tamin’ny mpitondra ny kalesiny: Ahodino ny kalesy ka ento miala teto amin’ny ady aho fa voa.
malagasy