1 Kings 22:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nihamafy ny ady tamin’izay andro izay ka notohanana ny mpanjaka mba hijoro teo amin’ny kalesiny, nanatrika ny Arameana, nefa nony efa hilentika ny masoandro dia maty izy. Ary ny ra avy tamin’ny ratrany dia nikoriana tao anatin’ny kalesy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nihamafy ny ady tamin’izany andro izany; notohanana ihany ny mpanjaka, hitsangana teo ambony kalesiny, tandrifin’ny Sirianina, ary maty izy nony hariva; ny ra tamin’ny ratrany, niraraka tao anaty kalesy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa nihamafy ny ady tamin’izay andro izay; koa tsy maintsy notohanana ny mpanjaka mba hitsangana teo amin’ny kalesiny nanoloana ny tafika sirianina; ary maty izy nony hariva ny andro, fa nitsika tao anatin’ny kalesiny ny ra tamin’ny ratrany.
Malagasy Bible 1865
Ary nihamafy ny ady tamin'izany andro izany; ary ny mpanjaka notohanana hitsangana teo amin'ny kalesiny tandrifin'ny Syriana, ary dia maty izy nony efa harivariva ny andro; ary ny rà nandeha avy teo amin'ny efa voa ho ao anatin'ny kalesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nihamafy ny ady tamin’izay andro izay ka notohanana ny mpanjaka mba hijoro teo amin’ny kalesiny, nanatrika ny Arameana, nefa nony efa hilentika ny masoandro dia maty izy. Ary ny ra avy tamin’ny ratrany dia nikoriana tao anatin’ny kalesy.
malagasy