1 Kings 22:38 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nosasana teo amin’ny farihin’i Samaria ny kalesiny dia avy ny alika nilelaka ny rany, raha nandro tao ny vehivavy janga; izany dia araka ny tenin’NY TOMPO tokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nosasana tao am-parihin’i Samaria ny kalesy dia nolelafin’ny alika ny ran’i Akaba, ary nandro teo ny vehivavy janga araka ny teny voalazan’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa nosasana teo amin’ny farihin’i Samaria ny kalesin’i Ahaba, dia avy ny alika nilelaka ny rany, ary ny mpivarotena nandro teo, araka ny tenin’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary nony nosasana teo am-parihin'i Samaria ny kalesiny, dia avy ny alika nilelaka ny ràny raha nandro tao ny vehivavy janga araka ny tenin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nosasana teo amin’ny farihin’i Samaria ny kalesiny dia avy ny alika nilelaka ny rany, raha nandro tao ny vehivavy janga; izany dia araka ny tenin’NY TOMPO tokoa.
malagasy
Ary nony nosasana teo am-parihin'i Samaria ny kalesiny, dia avy ny alika nilelaka ny ràny raha nandro tao ny vehivavy janga araka ny tenin'i Jehovah.