1 Kings 22:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tantaran’i Ahaba sisa mbamin’izay rehetra nataony sy ny trano voaravaka ivoara izay natsangany ary ny tanàna rehetra izay naoriny, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny sisa tamin’ny asan’i Akaba, mbamin’izay rehetra nataony, ny trano ivoara naoriny, ny tanàna rehetra naoriny, moa tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sisa amin’ny tantaran’i Ahaba ary koa ny zavatra hafa rehetra vitany, ny trano ivoara nataony sy ny tanàna rehetra naoriny, dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tantaran'i Ahaba sisa mbamin'izay rehetra nataony sy ny trano ivory izay nataony ary ny tanàna rehetra izay naoriny, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tantaran’i Ahaba sisa mbamin’izay rehetra nataony sy ny trano voaravaka ivoara izay natsangany ary ny tanàna rehetra izay naoriny, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany?
malagasy