1 Kings 22:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy koa izy tamin’i Josafata: Hiaraka amiko hiady any Ramota-Gileada va ianao? Dia hoy i Josafata tamin’ny mpanjakan’ny Israely: Eny, fa tahaka ny tenako ihany ny aminao, ka toy ny momba ny oloko ny amin’ny olonao, ary toy ny amin’ny soavaliko ny amin’ny soavalinao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy izy tamin’i Jôsafata: «Mba hiaraka amiko hamely an’i Ramôta any Galaada va ianao?» Ka hoy ny navalin’i Jôsafata tamin’ny mpanjakan’i Israely: «Hahazo ahy ny hahazo anao, ary hihatra amin’ny oloko ny hihatra amin’ny olonao, ary hihatra amin’ny soavaliko ny hihatra amin’ny soavalinao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy izy tamin’i Jôsafata: –Mba hiaraka amiko hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve ianao? Dia novaliany hoe: –Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny tafiko dia tafikao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy koa izy tamin'i Josafata: Mba hiaraka amiko hiady an'i Ramota-gileada va ianao? Dia hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely. Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy koa izy tamin’i Josafata: Hiaraka amiko hiady any Ramota-Gileada va ianao? Dia hoy i Josafata tamin’ny mpanjakan’ny Israely: Eny, fa tahaka ny tenako ihany ny aminao, ka toy ny momba ny oloko ny amin’ny olonao, ary toy ny amin’ny soavaliko ny amin’ny soavalinao.
malagasy