1 Kings 22:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanangona ny mpaminany tokony ho efajato lahy ny mpanjakan’ny Israely ka niteny tamin’izy ireo hoe: Moa handeha hanafika an’i Ramota-Gileada va aho sa tsy handeha? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao izy, ry mpanjaka!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia novorin’ny mpanjakan’i Israely ny mpaminany tokony ho 400 lahy, ka hoy izy tamin’izy ireo: «Handeha hamely an’i Ramôta any Galaada va aho, sa tokony hijanona?» Ka hoy ny navalin’ireo: «Mandehana fa atolotry ny Tompo eo an-tanan’ny mpanjaka izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary novorin’ny mpanjakan’i Israely ny mpaminaniny tokony ho efajato ka nanontaniany hoe: –Handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve aho, sa tsia? Dia novalian’ireo hoe: –Mandehana fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao ny tanàna.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjakan'ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany tokony ho efa-jato lahy ka nanao taminy hoe: Handena hanafika an'i Ramota-gileada va aho, sa hijanona ihany? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanangona ny mpaminany tokony ho efajato lahy ny mpanjakan’ny Israely ka niteny tamin’izy ireo hoe: Moa handeha hanafika an’i Ramota-Gileada va aho sa tsy handeha? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao izy, ry mpanjaka!
malagasy