1 Kings 22:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, i Mikaia, zanak’i Jimla, izay ahazoantsika manontany amin’NY TOMPO; kanefa halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy fa loza ihany. Dia hoy i Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ny mpanjakan’i Israely namaly an’i Jôsafata: «Mbola misy lehilahy anankiray ihany eto, azontsika anontaniana amin’i Iaveh, dia i Mikea, zanak’i Jemlà; nefa halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy, fa loza ihany.» Ka hoy i Jôsafata: «Aza manao izany, ry mpanjaka.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novalian’ny mpanjakan’i Israely hoe: –Mbola misy lehilahy iray ahazoantsika manontany ny TOMPO ao, dia i Mikaià zanakalahin’i Jimlà; saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy fa loza hatrany. Ka hoy i Jôsafata: –Aza miteny izany ianao, ry mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, dia Mikaia, zanak'i Jimla, izay ahazoantsika manontany amin'i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy. fa loza ihany. Dia hoy Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, i Mikaia, zanak’i Jimla, izay ahazoantsika manontany amin’NY TOMPO; kanefa halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy fa loza ihany. Dia hoy i Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka!
malagasy